ny politika ny kibo!
Posted by lafatra on February 24, 2008
ny ataoko oe politika ny kibo moa dia ilay zavatra fantatra ny be sy ny maro amin’ny alalan’ny fitiavan-tena,maro ny fandikana azo atao momba io politika io fa ny raisiko ohatra eto dia ilay atao oe hory hava manana.
inona tokoa moa no tena dikan’io araka ny fiheverana?raha ny momba ny ahy manokana dia tsotra fotsiny ny fanazavako azy:rehefa ohatra koa misy olona iray tafavoaka eo amin’ny lafiny fiaraha-monina dia maro ireo mpitsikera ary ny tena mapalahelo dia eo amin’ilay lafiny fanaratsiana,fialonana,ary misy moa ny sasany dia tena tonga amin’ny famonoana miohntsy.
ny fanitaniana mipetraka dia ny oe:mety ho afaka amintsika olombelona ve izy io ary ahoan sy inona ny fanamboaran-taina na fampiuanarana (cicisme) tokony homena ny mpiara-belona.
sipagasy said
tena marina ny teninao, fa ohatran’ny hoe voaterin’ny fiainana sisa ny fahitako ny ankamaroan’ny manao izany e! indrisy, mampalahelo, ka ny tanora sy ny ankizy madinika ankehitriny no tokony havona izany toe-tsaina izany @ izao mba hitsirian’ny voa tsara indray sy hamelana ho manitra mamerovero any aoriana e!
ouups lasa poety tampoka teo aho hihih
izao fa mazotoa e!
(en) February translated posts said
[...] Lafatra from FBC-Toamasina exposes his opinion on Malagasy greed and individuality. Politics for the belly [...]
Avylavitra said
Hevitra hafa tokoa noho ny fahalalako ny politikan’ny kibo tamin’ny andron’i Tsiranana iny navoakanao iny. Tsy misy maharatsy azy, fa izao: hanampiako ny tenin’ni Sipagasy dia hoe, isika lehibe sy mahatsiaro saina aloha no tokony hanome ohatra ny zandry zanaka rehetra mijery antsika. Fa na hampianatra toy inona aza ianao dia tsy ho tafita raha toy ity ohatra omeko anao manaraka ity. Mandrara ny ankizy tsy hifoka sigara ohatra ny raiamandreny ao ant-tokantrano. Tsotra no valiny omen’ilay ankizy “fa angaha tsy hitanareo ireny Dokotera mifoka sigara ireny, ireny aza mpitsabo kanefa tsy mahita hoe ratsy ny sigara koa no izahay no ilazanareo antsanga tsy aman’orana eto. Ny mpampianatra anay any ampianarana mifoka daholo na vavy na lahy”
Ka raha mbola misy ny ohatra ratsy omena ny taranaka, dia aza manantena vokatra tsara mihitsy e!
Tokinao said
Avylavitra > samihafa tokoa le pôlitikan’ny kibo resahina eto sy ny resahin’i Filoha Tsiranana. Ny iray : pôlitikan’ny kibo : fitiavan-tena. Ilay iray hafa : fomba mba hahaampy sakafo ny vahoaka.
Ny afaka atao koa angamba dia ( tsy haiko raha mbola misy ankehitriny) : ny fanaovana éducation civique any ampianarana. tokony ho kilasy maromaro no ianarana azy io, fa tsy ny taona faha-9 (3è) toy ny taminay ihany. Dia resahina ao ny fampianarana sy fanentanana ho olom-banona, ho tia tanindrazana, ny ady amin’ny risoriso, ny fanentanana ny olona hikarokaroka fa tsy hanararaotra fotsiny.
Misaotra e
simp said
Tokinao,
marina zany fa ny fahitako azy otran’ny ilay mpampianatra (education civique) aza tsy mahafantatra ny tanjon’ilay cours akory ka izay no tena olana…
ary tsy misy politikan’ny kibo manakely kibo nga ry zalah? le mitady hihangoza iny izy otran’ny blem kle
ikalamako said
simp : sady misy ny sipa tsy mahavoa rangahy be kibo (jerijereo ny vehivavy vaotagy any)
Tokinao said
simp> mampme koa zany pôlitikan’ny kibo arosonao zany ‘ko. Tohano ny hevitrao dia milatsaha hofidiana fa tohananay e
Ikalamako > haiko io vehivavy io. Nefa kosa : tsy toa azy daholo ny vehivavy rehetra. Ny alika hono mantsy jamban’ny taolana, ary ny olona jamban’ny vola. Ka na be kibo io, na mahia kaozatra, rehefa be vola dia tian’ny sasany foana! Indrisy fa izay no fahitako ny ankamaroan’ny ankizivavy malagasy
.
tomavana said
Amiko indray ny pôlitikan’ny kibo dia izay mifanohitra amin’ny fahendren’ny Ntaolo voarakitra ao anatin’ny ohabolana “aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana”
Ny vola fandany, miditrasy mivoaka eo foana fa ny fihavanana very dia sarotra ny mamerina azy
sipagasy said
marina mihintsy koa aloha izay ry tomavana e!!!!! hihih fa ny antsika tsy tapaka ny fihavanana fa ny elanelan-tany no…….. hihihihi